Teny 100, Kabary 1000

Le Vendredi, de 18:30 à 19:30

Fandaharana tontosaina sy atolotr' i Andriamatoa Fabien Razakandrainibe, hifaneraserantsika bebe kokoa amin'ny teny, indrindra amin'ny teny Malagasy, teny tiantsika, teny mamintsika, teny andrianintsika. Fandaharana ho entintsika hanomezam-boninahitra, hanomezan-danja ny teny sy ny Literatiora Malagasy amin'ny endriny rehetra.

Ireo no sehatra ifotony hiaingana, fa eny an-dalam-pihainoana eny dia hitarintsika ny fandaharana amin'ny literatiora vahiny izay atao amin'ny dikan-teny malagasy.

Ary farany, ny teny no ho rohy hampifandraisantsika ireo hevitra maro samy hafa azontsika antsaina, hotononina, hohalalinina, hitafatafana na ho dinihina miaraka. Asa fampanjariana ny literatiora malagasy ny tanjontsika.Tsy adino anefa ny hira malagasy izay entintsika handravahana ihany koa ny fandaharana.

Mihainoa finaritra Tompoko !